Lancement Zone d’encadrement Amoron’i Mania 14 Octobre 2022

Notanterahana ny Zoma 14 Oktobra 2022 amin’ny fomba ofisialy ny fanolorana ny antontan-taratasy maha ara-dalàna ny fisian’ny « Zone d’encadrement » ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania ka tao amin’ny Fokontany Andranomangitsy Mahavanona, distrikan’Ambatofinandrahana no nisantarana izany. Tonga tany an-toerana ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika  RAKOTOMALALA Olivier Herindrainy, notronin’ny Solombavam-bahoakan’Ambatofinandrahana sady Filohan’ny Antenimieram-pirenena Ramatoa RAZANAMAHASOA Christine, ny Loholon’i Madagasikara sady mpampakateny eo anivon’ny Antenimieran-doholona Andriamatoa Rasolondratsimba Raymond, ny solotenan’ny Governora, ireo Talem-paritra sy Tale iraisam-paritry ny harena an-kibon’ny tany maromaro ary ireo solotenan’ny Sampandraharaham-panjakana any ifotony sivily sy miaramila.

Voafaritra ao anaty politika ankapoben’ny fanjakana tanterahan’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika ny

“Fitantanana maharitra sy lovainjafy ny harena voajanahary » araka ny Velirano fahafolo. Manoloana izay indrindra dia miezaka hatrany ihany koa ny Fanjakana manakaiky ny eny ifotony mijery ny fomba hahasoa sy hahafahan’ny vahoaka mivelona.

Faritra manan-karena harena an-kibon’ny tany raha ny Faritra Amoron’i Mania ary maro karazana ireo harem-pirenena hita ao raha tsy hilaza afa tsy ny mica, cristal, beryl, quartz, agathe, malachite.

Paikady napetraka ny hanaovana ho matihanina ny asa fitrandrahana sy fampidirana anaty sehatra manara-dalàna ireo mpitrandraka madinika hiadiana amin’ny gaboraraka sy fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harem-pirenena.

Fa voafaritry ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany mbola manankery amin’izao ihany koa ny fampivondronana ireo vondrona na fikambanana mpitrandraka madinika ho ao anaty « Zone d’encadrement ».

Raha ho an’ny Faritra Amoron’i Mania manokana dia maromaro ireo misitraka izany : Mandrosonoro, Ambatofinandrahana , Itremo, Fenoarivo, Mahazina Ambohipierenana ary Fandriana. Faritra tsy mifanitsaka amin’ny fari-pitrandrahana périmètre efa nahazoana fahazoan-dalana na efa mana-tompo avokoa ireo.

Hanampy ireo mpitrandraka madinika mivondrona anaty « zone d’encadrement » ara-toromarika amin’izay tokony sy tsy tokony hatao hampirindra ny asa ao amin’ireo faritra voakasika ao anatin’ny fanarahan-dalàna tanteraka ny avy eo anivon’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany amin’ny alalan’ireo fitaleavana isam-paritra sy iraisam-paritra.

Harena tsy azo havaozina ny harena an-kibon’ny tany. Mila tantanana araka ny tokony ho izy izany miainga amin’ny fitrandrahana hatramin’ny famoahana sy famarotana ny vokatra mba hisitrahan’ny mpisehatra sy ny vondrom-bahoakam-paritra tombontsoa, fa indrindra ihany koa mba tsy ho lanilany foana ny harem-pirenena fa hisy fiantraikany eo amin’ny lafiny fotodrafitrasa sy fampandrosoana ny tamberim-bidy azon’ny faritra nivoahany raha ny nambaran’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany. Fa ankoatra izay dia nanentana manokana ny vahoaka eny ifotony ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika amin’ny maha mpikambana eo anivon’ny Governemanta azy ny amin’ny hikajiana sy hiarovana ny tontolo iainana.

Na ny mpampakatenin’ny Antenimieran-doholona, na Ramatoa Solombavambahoaka sady Filohan’ny Antenimieram-pirenena na ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany fa indrindra ireo vondrona sy fikambanana mpisitraka dia samy resy lahatra ny amin’ny zava-dehibe ny dingana sy tolo-tanana ataon’ny fanjakana foibe ho an’ny mpisehatra eny ifotony. Fa naneho ny hafaliany sy ny fankasitrahany ny Fanjakana foibe ihany koa ny vahoaka eny ifotony indrindra ireo mpisitraka.

 MMRS/ DCRI – Oktobra 2022