AKOM-BAOVAO DRMRS DIANA : Fidinana ifotony tao Anaborano Ifasy, Antsirabe Ambanja, Antetezambato sy Beriziky momba ny zone d’encadrement

Ho fanatanterahana ny politikam-panjakana amin’ny fametrahana ny Zone d’encadrement ho an’ny vondrona mpitrandraka madinika, dia nanatanteraka fidinana ifotony tamin’ny toeram-pitrandrahana maromaro ao amin’ny fari-piadidiany ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika DRMRS DIANA sy BCMM Antsiranana, mba hijerena imaso ireo toerana hiasan’ny mpitrandraka madinika.

Tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Anaborano Ifasy, District Ambilobe no nanombohana izany ny 01 sy 02 Jolay 2022 ;

Notohizana tao amin’ny Kaominina Antsirabe, District Ambanja ny 07 Jolay ;

Toeram-pitrandrahana tao amin’ny Fokontany Antetezambato, Kaominina Antsakoamanondro, District Ambilobe kosa no nojerena ifotony ny 27 Septambra 2022 ; ary tao amin’ny Fokontany Beriziky, CR Betsiaka ny 03 Oktobra lasa teo.

Ankoatra ny fijerena ireo toeram-pitrandrahana araka ny lafiny teknika sy fepetra takian’ny fametrahana Zone d’encadrement, ny fidinana ifotony toy izao dia anatanterahana hatrany fampahafantarana sy fampianarana ary fanentanana sy ireo mpitrandraka harena an-kibon’ny tany ny amin’ny tokony hidirana amin’ny ara-dalàna.

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMRS DIANA

MMRS DCRI – Oktobra 2022