AKOM-BAOVAO DIRMRS FIANARANTSOA : Fampahafantarana sy fanentanana momba ny seha-pihariana harena an-kibon’ny tany tao Bevahondrano Ikalamavony

Noho ireo hamaroan’ny fitondrana vato tsy ara-dalàna niseho matetika tao amin’ny faritra iadidiany tato ho ato, dia nidina ifotony tao Bevahondrano District Ikalamavony ny avy eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika DIRMRS Fianarantsoa. Niara-dia tamin’izy ireo ihany koa ny Police des Mines avy amin’ny Ministera foibe, ny teo anivon’ny Distrika sy ny Ben’ny Tanàna Fitampito. Ny talata 11 sy ny alarobia 12 oktobra 2022 lasa teo no nanatanterahana izany.

Maro tokoa ny olona mitrandraka ao an-toerana ankehitriny ary mitombo isa hatrany izany raha ny nambaran’ny Lehiben’ny Fokontany. Natao nandritra izany fidinana ifotony izany ny fampahafantarana ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany eo amin’ny fitrandrahana sy ny fitondrana sy fitaterana ny vokatra harena an-kibon’ny tany, ary indrindra ny ho fanajana ny tontolo iainana. Nasiana tsindrim-peo manokana ny fanentanana iadiana amin’ny doro tanety. Nohenoina ny hetahetan’ireo mpitrandraka, isan’izany ny fanirian’izy ireo ny mba hitohizan’ny asa fitrandrahana izay efa ataon’izy ireo ary ho hatsaraina ny vidim-bato.

Nampahafantarina ihany koa ny politikan’ny Fitondram-panjakana izay tanterahan’ny Minisitera ankehitriny, dia ny fametrahana ny Zone d’encadrement mba hampidirana ireo mpitrandraka madinika hiditra ao anatin’ny ara-dalàna, mba samy hahazoan’ny rehetra tombontsoa.

Fampitam-baovao sy sary : Tale iraisam-paritra DIRMRS Fianarantsoa

MMRS DCRI – Octobre 2022