AKOM-BAOVAO DRMRS VATOVAVY SY FITOVINANY : Fidinana ifotony tao Andranomavo momba ny zone d’encadrement

Ho tohin’ny fametrahana ny zone d’encadrement dia nidina ifotony tao amin’ny Kaominina Andranomavo Distrikan’i Mananjary ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika DRMRS Vatovavy sy Fitovinany ny 12 Oktobra 2022.

Taorian’ny fandalovan’ireo rivo-doza roa nifanesy izay namela takaitra teo anivon’ny Faritra dia simba sy tsy misy azo antenaina ny resaka fambolena, hany ka hita sy tsapa fa mirohotra any amin’ny fanivanana volamena ireo vahoaka mba ho fivelomana.

Ezaka irosoan’ny Fanjakana hatrany ny fampidirana azy ireo amin’ny sehatry ny ara-dalàna mba ho tombotsoa ho an’ny rehetra.

 Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMRS Vatovavy sy Fitovinany